[go: up one dir, main page]
More Web Proxy on the site http://driver.im/Aller au contenu

Fanjanahantany amin' ny endriny vaovao

Avy amin'i Wikipedia
Kwame Nkrumah.

Ny fanjanahantany amin' ny endriny vaovao na fanjanahantany vaovao na neôkôlônialisma dia pôlitikan' ny mpanjakazaka an-tanin' olona (imperialisma) nataon' ny firenena mpanjanaka amin' ny zanataniny taloha, amin' ny fampiasana fomba fifehezana an-kolaka sy fanjakazakana isan-karazany, ho an' ny tombontsoany manokana sy ny an' ny fandraharahan' orinasany.

Noraisin' i Kwame Nkrumah voalohany tamin' ny lahateny nataony tamin' ny taona 1965 ny teny hoe néocolonialisme, izay nampiasain' ilay filôzôfa frantsay Jean-Paul Sartre voalohany tamin' ny taona 1956. Nanohy ny hevitry ny hoe "zanatany" teo anelanelan' ny taonjato faha-16 sy faha-19 io teny io, mba hamaritana ny fifandraisana anjakazakan' ny mpanjanaka aty aorian' ny fanjanahatany. Voaresaka ao amin' ny asasoratr' i Noam Chomsky (The Washington Connection and Third World Fascism, 1979) ihany koa ny neôkôlônialisma.

Ny fanjanahantany amin' ny endriny vaovao dia ny fanohizana na famerenana indray ny fitondrana imperialista ataon' ny firenena iray (matetika, firenena mpanjanaka taloha) amin' ny firenana "mahaleo tena" amin' ny fomba ôfisialy hafa (matetika zanatany taloha). Ny neôkôlônialisma dia manana endrika imperialisma ara-toekarena (fanatontoloana) sy ara-kolontsaina ary miseho koa amin' ny alalan' ny fanampiana misy fepetra mba hanjakazakana an-kolaka na hifehezana ny firenena an-dalam-pandrosoana, izany dia fomba nasolo ny endriky ny fanjanahantany teo aloha izay ahitana fifehezana ara-tafika mivantana na fanaraha-maso ara-pôlitika ankolaka. Matetika dia ny olom-pirenen' ilay firenena zanatany taloha ihany no manampy amin' ny fanjanahana amin' ny endriny vavao ny fireneny, indrindra amin' ny sehatra pôlitika sy amin' ny fandraharahana ara-toekarena.

Tsy mitovy amin' ny fanatontoloana mahazatra sy ny fanampiana amin' ny fampandrosoana ny fanjanahantany amin' ny endriny vaovao satria matetika miteraka fifandraisana misy fiankinan-doha, fanompoana, na adidy ara-bola aloa amin' ilay firenena neôkôlônialista. Mety hiteraka fifehezana ara-pôlitika tsy ara-drariny izany na adidy vokatry ny trosa mihodinkodina, izay lasa mitovitovy endrika amin' ny fifandraisana teo amin' ny fanjanahantany taloha. Matetika dia miantraika amin' ny sehatra rehetra eo amin' ny fiarahamonina ny neôkôlônialisma, ka mamorona rafitra neôkôlônialy izay manimba ny vondrom-piarahamonina ifotony, anisan' izany ny siansa neôkôlônialy (tsy fandraisana ny hevitry ny manam-pahaizana eo an-toerana).

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]