[go: up one dir, main page]
More Web Proxy on the site http://driver.im/Aller au contenu

Prôtektôrata

Avy amin'i Wikipedia

Ny prôtektôrata dia endri-pitondrana ara-pôlitika izay iray amin' ny endriky ny fanjanahan-tany izay ahitana ny firenena mpanjanaka lasa "mpiaro" fa ny firenena zanahina lasa "arovana". Tsy mitovy amin' ny fanjanahan-tany mivantana izany satria ny sata sy ny andrim-panjakana misy sasany, anisan' izany ny zom-pirenena, dia voatazona amin' ny fomba ôfisialy, nefa ny firenena mpiaro no misahana ny diplômasia, ny varotra ivelany, ary koa ny tafik' ilay fanjakana arovana.

Ny fampiasana ny teny hoe "prôtektôrata" dia azo anondroana ny tany miankin-doha sy ny tany manana fiandrianam-pirenena voafetra, na anondroana ny fitondrana ara-pôlitika heverina ho eo ambany fitarihan' ny firenena matanjaka kokoa: amin' ity tranga faharoa ity dia fiteny ny hoe "governemanta saribakoly".

Ny prôtektôrata, eo amin' ny tontolon' ny fifandraisana iraisam-pirenena, dia firenena iray eo ambany fiarovan' ny firenena hafa ho fiarovana azy amin' ny herisetra sy ny fanitsakitsahan-dalàna hafa avy any ivelany. Tany miankina manana fizakan-tena amin' ny ankamaroan' ny raharaha anatiny izy io, nefa mbola manaiky ny fanjakazakan' ny firenena matanjaka kokoa, tsy lasa fananana anefa ilay firenena arovana. Ho takalon' izany fiarovana izany dia mazàna ny prôtektôrata no manaiky adidy voafaritra araka ny fepetran' ny fandaminana. Matetika ny prôtektôrata dia apetraka araka ny lalàna iraisam-pirenena amin' ny alalan' ny fifanarahana. Ao anatin' ny tranga sasany – tahaka an' i Ejipta teo ambany fitondran' ny Britanika (1882 - 1914) – dia azo lazaina ho toy ny prôtektôrata tsy araka ny lalàna na prôtektôrata voasarona ihany koa ny fanjakana iray.

Tsy mitovy amin' ny zanatany ny prôtektôrata satria manana ny mpitondrany eo an-toerana izy, tsy fananana mivantana izy, ary zara raha misedra ny fanjanahana ataon' ny fanjakana mpiaro. Ny fanjakana izay eo ambany fiarovan' ny fanjakana hafa, nefa mitazona ny maha izy azy eo amin' ny sehatra iraisam-pirenena, dia antsoina hoe "fanjakana arovana", fa tsy prôtektôrata.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]