Ranomamy
Apparence
Ny ranomamy dia rano tsy misy sira na tena kely sira, mifanohitra amin' ny rano an-dranomasina sy ny rano masirasira. Mety ho ranon' orana, ny rano avy amin' ny renirano na farihy, ny rano ambanin' ny tany, ny ranomandry, sns ny ranomamy. Ny fananany fatran-tsira ambany dia ambany no ahafahana ny misotro azy. Misy singa hafa levona latsaky ny iray grama isaky ny litatra (toy ny sira, ny metaly ary ny otrikaina) ny ranomamy amin' ny ankapobeny. Raha ampitahaina, ny ranon-dranomasina dia misy vainga levona mihoatra ny 30 ary ny serôma fiziôlôjika dia misy 9 g/litatra (0,9 %).