[go: up one dir, main page]
More Web Proxy on the site http://driver.im/Aller au contenu

Silamo ao Indônezia

Avy amin'i Wikipedia
Ny Môske Istiqlal, môske nasiônaly sady môske lehibe indrindra any Azia Atsimo-Atsinanana.

Ny silamo ao Indônezia dia anisan' ny fivavahana enina tsy maintsy isafidian' ny olom-pirenena indôneziana mba hosoratany ao amin' ny karapanondrony, ka ny dimy sisa dia ny bodisma, ny katôlisisma, ny kônfosianisma, ny hindoisma ary ny prôtestantisma. Araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2010 dia ny 87,5 %n' ny Indôneziana dia Mozilmana, ny 7 % Prôtestanta, ny 2,8 % Katôlika, ny 1,7 % Hindo, ny 1 % ao amin' ny fivavahana sisa (Bodista, Jodaista ary Kristiana ôrtôdôksa).

Na dia efa tonga tany Indônezia tamin' ny taonjato faha-8 anefa ny mpivarotra arabo dia tamin' ny taonjato faha-13 vao nanomboka niely tany ny finoana silamo.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]