[go: up one dir, main page]
More Web Proxy on the site http://driver.im/Aller au contenu

La Réunion

Avy amin'i Wikipedia
Ny nosy La Réunion

I La Réunion dia nosin' afotroa any amin' ny ilany andrefan' ny Ranomasimbe Indiana, ao atsinanan' i Afrika, any amin' ny ila-bolantany atsimo, manana velaran-tany mirefy 2 512 km2. Sady departemanta izy no faritra frantsay ampitan-dranomasina (frantsay: département et une région d'outre-mer français - DROM), 676 km any atsimo-atsinanan' i Madagasikara sy 172 km any atsimo-andrefan' i Maorisy, izay tany akaikiny indrindra. Ny renivohiny dia i Saint-Denis. Izy io dia nosin' afotroa noforonin' ny teboka mafana.

Ny tendro Piton des Neiges izay manana haavo 3 070 m ambonin' ny ranomasina, no toerana avo indrindra. Manana vohon-tany mideza vokatry ny fikao-tany ilay nosy. Iray amin' ny afotroa mihetsika indrindra eran-tany i Piton de la Fournaise (2 632 m) izay any amin' ny ilany atsimo-atsinanan' ilay nosy. Noho ny fananany toetany trôpikaly misy rivotra Alizay an-dranomasina sy noho ny maha eo amin' ny lalan' ny rivodoza azy dia fonenan' ny karazan-javamananaina miavaka tsy fahita firy i La Réunion.

Nosin'i La Réunion

Mety ho tamin' ny Andro Antenatenany no nahitan' ny Arabo an' i La Réunion tamin' ny anarana hoe Dina Morgabin ("ilay nosy mandry"), izay tsy nisy mponina raha tsy nanomboka tamin' ny tapaky ny taonjato faha-17, tokony ho 150 taona taorian' ny nipoiran' izy io tao amin' ny sarin-tanin' ny tantsambo pôrtogey. Mandra-pahatongan' izany dia fantatra tamin' ny anarana hoe Nosy Mascarin i La Réunion, avy eo nantsoina hoe Nosy Bourbon izay lasa fijanonan' ny Compagnie française des Indes orientales izay manaraka ny Lalana mankany India (pôrtogey: Carreira da India). Ny toetany trôpikaly dia nitarika ny fivoaran' ny fambolena miompana indrindra amin' ny famokarana siramamy; Ny andevo avy atsy Afrika Atsinanana dia nohafarana ho mpiasa an-tsaha. Nanomboka tamin' ny taompolo 1710 dia lasa zanatany nanaovana fambolena kafe izy io. Rehafa nanjary orinasa nisahana raharaham-pamblena izy dia lasa teo ambany fifehezan' ny mpanjakan' i Frantsa tamin' ny taompolo 1760 talohan' ny namerenana azy indray hisahana ny indostrian' ny fary tamin' ny faran' ny Ady Napôleôniana nifanesy. Novana tanteraka ho amin' ny anarany ankehitriny izy tamin' ny taona 1848 izay nanafoanana koa ny fanandevozana tao, nosoloina tamin' ny asa an-tsitrapo (frantsay: engagisme) izay tsy nifarana taha tsy tamin' ny taompolo 1930 (ny Malay, Vietnamiana, ny Sinoa ary ny Karana).

Toerana misy an' i La Réunion

Tamin' ny taona 1946 dia zanatany intsony izy fa lasa departemanta frantsay, nefa tsy nahazo ny fitovian-jo ara-tsôsialy sy momba ny karama amin' ny mponin' ny departemanta frantsay any Frantsa, nampiharana ny fehezan-didy aman-dalànan' ny departemanta 974 (frantsay: code départemental 974). Ao anarin' ny Faritra Euro (frantsay: zone euro) ilay nosy nefa tsy anisan' ny Erana Schengen (frantsay: espace Schengen). Mbola marefo ny rafi-pamokarana ao aminy. Ambony (eo anelanelan' ny 17 % sy 19 % nanomboka tamin' ny taona 2020) ny tahan' ny tsy fananana asa ao, anisan' izany ny 39 % amin' ny tanora. Ny fizahàntany no sehatra ara-toekarena manan-danja indrindra ao amin' io nosy io ankehitriny. Tombanana ho 19,2 lavitrisa Euro ny harin-karena faobe tamin' ny taona 2021, ary manodidina ny 22 400 Euro isan-taona ny salam-pidiram-bola isaky ny mponina isan-taona.

Araka ny filazan' ny Institut national de la statistique et des études économiques dia tombanana ho 885 700 ny mponina ao La Réunion tamin' ny volana Janoary 2024, izay mifantoka ao amin' ny morontsiraka misy tanàna lehibe, anisan' izany i Saint-Denis renivohitra.

Miavaka ny firafitry ny mponina ao noho ny fahabetsahan' ny tanora sy ny fiaviana samihafa: Eorôpeana, Afrikana Tandrefana, Afrikana Tatsinanana, Malagasy, Indiana, Vietnamiana, Kômôriana, Mahôrey, Malay ary Sinoa. Misy fiantraikany amin' ny kolontsain' i La Réunion io fahasamihafana io, indrindra eo amin' ny fiteniny (fiteny kreôly reoniôney) sy ny nahandrony ary hatramin' ny mozikany (segà, malôià, sns.).

Efa tamin' ny taonjato faha-17 no nipetrahan' io nosy io, rehefa nanorim-ponenana tao ny olona avy any Frantsa sy avy aty Madagasikara. Nofoanana ny fanandevozana tamin' ny 20 Desambra 1848 (daty ankalazaina isan-taona ao amin' ilay nosy), rehefa nofoanan' ny Repoblika Faharoa ny fanandevozana tany amin' ny zanatany frantsay. Na izany aza dia mbola nentina tany La Réunion avy any amin' ny tapany atsimo amin' i India, ankoatry ny toeran-kafa, ny mpiasa an-tsitrapo. Lasa departemanta ampitan-dranomasina ilay nosy tamin' ny taona 1946.

Tantara tany am-boalohany

[hanova | hanova ny fango]

Tsy dia fantatra loatra ny tantaran' i La Réunion talohan' ny nahatongavan' ny Pôrtogey tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-16. Ny Arabo mpivarotra dia nahafantatra azy io tamin' ny anarana hoe Dina Morgabin, izay midika hoe "Nosy Andrefana" (azo inoana fa avy amin' ny teny arabo hoe دنية/دبية مغربي / Daniyah/Dībah Maghribīy). Mety nasehon' i Al Sharif el-Edrisi tamin' ny sarintany ilay nosy nanomboka tamin' ny taona 1153. Mety ho notsidihan' ny tantsambo soahily na aostrôneziana (Indôneziana-Maleziana taloha) koa ilay nosy tamin' ny dian' izy ireo niankandrefana, avy any amin' ny Vondronosy Maley ho aty Madagasikara.

Ilay Pôrtogey Diogo Fernandes Pereira, mpizaha tany, tamin' ny taona 1507, no Eorôpeana voalohany nahita an' io faritra io, saingy tsy mazava ny antsipiriany momba izany. Angamba ilay nosy mbola tsy nisy mponina no hita voalohany tamin' ny alalan' ny diabe notarihin' i Dom Pedro Mascarenhas, izay nanome ny anarany ho an' ny vondronosy manodidina an' i La Réunion, dia ny vondronony Maskarena. I La Réunion tenany dia nomena ny anarana hoe Santa Apolónia ho fanomezam-boninahitra ilay olomasina tiany indrindra, izany milaza fa mety ho tamin' ny 9 Febroary, andro fankalazana azy, ny daty nahitan' ny Pôrtogey an ilay nosy. Voalaza fa tonga tany amin' ny nosy La Réunion sy ny nosy Rodrigues i Diogo Lopes de Sequeira tamin' ny taona 1509.

Ny nosy Bourbon (1642–1793)

[hanova | hanova ny fango]
Sarivongan' i Mahé de La Bourdonnais ao Saint-Denis

Tany am-piandohan' ny taompolo 1600 dia namela an' i Santa Apolónia saika ny fitondrana pôrtogey. Nofehezin' i Frantsa avy eo ilay nosy ary avy any Port Louis, ao Maorisy no nitantanana azy. Na dia nanomboka tamin' ny taona 1638 aza ny filazan' ny Frantsay voalohany ny maha azy an' ilay nosy, tamin' ny fitsidihana nataon' i François Cauche (fr) sy i Salomon Goubert tamin' ny volana Jona 1638 no nitakin' i Jacques Pronis avy any Frantsa tamin' ny fomba ôfisialy an' ilay nosy tamin' ny taona 1642, fony izy nanao sesitany mpikomy frantsay am-polony avy eto Madagasikara ho any amin' ilay nosy. Naverina tany Frantsa ireo voaheloka ireo, taona maromaro tatỳ aoriana, ary tamin' ny taona 1649 dia nomena anarana hoe Île Bourbon ilay nosy ho fanomezam-boninahitra ny Tranon' ny Bourbon, tarana-mpanjaka frantsay. Nanomboka tamin' ny taona 1665 ny fanjanahantany, rehefa nandefa ny voanjo voalohany ny Compagnie française des Indes orientales.

Namolavola toekarena miompana amin' ny fambolena kafe sy famokarana siramamy amin' ny alalan' ny fampiasana andevo ny Frantsay mpanjanaka. Hatramin' ny taonjato faha-17 ka hatramin' ny taonjato faha-19, ny fanjanahantany frantsay, nampian' ny fanafarana Afrikana sy Sinoa ary Indiana ho mpiasa, dia niteraka fahasamihafan' ny foko mamorona ny vahoaka ao La Réunion. Nanomboka tamin' ny taona 1690 dia nandevozina ny ankamaroan' ny tsy Eorôpeana tao amin' ilay nosy. Amin' ny andevo miisa 80 000 nohafarana ho any La Réunion sy Maorisy teo anelanelan' ny taona 1769 sy 1793, ny 45 % dia avy amin' ny mpivarotra andevo ao amin' ny Sakalava any amin' ny ilany avaratra-andrefan' i Madagasikara, izay nanafika tao Afrika Atsinanana sy tao Kômôro mba hangalatra olona hatao andevo; fa ny ambiny kosa dia avy amin' ny Arabo mpivarotra andevo izay nividy andevo avy ao Môzambika pôrtogey, izay nandalo teto Madagasikara ary nitondra azy ireo nankany La Réunion.

Fikomina revôlisiônera (1793–1814)

[hanova | hanova ny fango]

Tamin'ny 19 Marsa 1793, nandritra ny Revôlisiôna Frantsay, dia novana ho "La Réunion" ny anaran' ilay nosy ho fanomezam-boninahitra ny fiombonan' ny Federés avy any Marseille sy ny Garde nationale avy any Paris, nandritra ny diabe tao amin' ny Palais des Tuileries tamin' ny 10 Aogositra 1792, ary hamafana ny anaran' ny tarana-mpanjaka Bourbon.

Nolavin' i La Réunion sy Île de France (Maorisy ankehitriny) ny fanafoanana ny fanandevozana nolanian' ny Convention nationale tamin' ny 4 Febroary 1794. Tonga tao amin’ ny nosy Bourbon tamin' ny 18 Jona 1796 ny delegasiôna niaraka amin' ny tafika, izay nirahina mba hanafaka ny andevo, nefa fandroahana avy hatrany tsy nisy indrafo no nahazo azy ireo. Nanaraka izany ny fotoana nisian' ny korontana sy fanoherana ny fahefana avy any Frantsa, izay tsy nanana fahefana intsony tamin' ireo nosy roa ireo. Ny Konsoly voalohany ao amin' ny Repoblika (frantsay: premier consul de la République), Napoléon Bonaparte, dia nitazona ny fanandevozana tao, izay tsy foana mihitsy, tamin' ny lalàna tamin' ny 20 May 1802. Tamin' ny 26 Septambra 1806 dia nomena anarana hoe Île Bonaparte ilay nosy ary teo amin' ny laharana voalohany amin' ny Ady Franco-Britanika momba ny fifehezana ny Ranomasimbe Indiana.

Taorian' ny loza ara-toetrandro tamin' ny taona 1806-1807 (rivodoza, tondra-drano) dia nihena haingana ny fambolena kafe ary nosoloina fambolena fary, izay nitombo ny tinady tany Frantsa, noho ny famoizan' i Frantsa an' i Saint-Domingue vao haingana sy tsy ela dia ny famoizany koa an' i Île-de-France (Maorisy ankehitriny). Noho ny halavan ny tsingerim-pitomboany dia tsy iharan' ny rivodoza ny fary.

Nandritra ny Ady Napôleôniana dia notafihin' ny tafika britanika ilay nosy ary voatery nilavo lefona ny ny governorany, jeneraly Sainte-Suzanne, tamin' ny 9 Jolay 1810. Lasa ambany fitondran' ny Britanika ilay nosy ary nobodoin' ny Britanika hatramin' ny faran' ny Vanim-potoana Napôleôniana. Naverina indray ny anarana taloha hoe Île Bourbon tamin' ny taona 1810.

Zanatanin' i Bourbon, avy eo La Réunion (1814–1946)

[hanova | hanova ny fango]

Naverina tamin' ny Frantsay ny nosy Bourbon tamin' ny alalan' ny Fifanarahana tany Paris (frantsay: traité de Paris; anglisy: Treaty of Paris) tamin' ny taoa 1814. Natao an-karihary tao amin' ilay zanatany ny varotra andevo taorian' ny namerenana ny fitondran' ny Frantsay, ary na dia teo aza ny fanamelohana iraisam-pirenena dia nanafatra andevo 2 000 isam-bolana ny Nosy Bourbon nandritra ny taompoio 1820, ary avy any amin' ny morontsiraka soahily na avy any amin' ny morontsirak' i Quelimane ao Môzambika portogey. Tamin' ny taona 1841, ny fahitan' i Edmond Albius ny fandonahana ny vonin' ny lavanila amin' ny tanana dia nahatonga ilay nosy ho mpamokatra lavanila voalohany eran-tany. Niainga ihany koa ny fambolena zeraniôma, izay ampiasaina betsaka amin' ny fanamboarana ranomanitra. Nanomboka tamin' ny taona 1838 ka hatramin' ny taona 1841, ny Kôntramiraly Anne Chrétien Louis de Hell no governoran' ilay nosy. Nisy ny fiovana lalina teo amin' ny fiarahamonina sy ny toe-tsaina izay nifandray amin' ny zava-nitranga tao anatin' ny folo taona farany izay nahatonga ny governora hanolotra tetikasa telo famotsorana teo anatrehan' ny Filankevitra momba ny Fanjanahantany (frantsay: Conseil colonial).

Famoahan' i Sarda Garriga ny didy fanafoanana ny fanandevozana tao amin' ny nosy La Réunion tamin' ny 20 Ôktôbra 1848.

Tamin' ny 9 Jona 1848, taorian' ny nahatongavan' ny vaovao momba ny Revôlisiôna Frantsay tamin' ny taona 1848 avy any Eorôpa, ny governora Joseph Graëb dia nanambara ny fanambarana ny Repoblika Frantsay tao Saint-Denis, ary tamin' io andro io ihany dia nomena anarana hoe "La Réunion" ilay nosy, anarana efa azony teo anelanelan' ny taona 1793 sy 1806. Nangatsiaka sy feno ahiahy fandraisan' ny plantôkrasia ny fananganana an' ilay Repoblika noho ny pôlitikam-panafoanana fanandevozana nambaran' ny fahefana repoblikana vaovao tao Paris. Tamin' ny 18 Ôktôbra 1848, ny Commissaire de la République vaovao, Joseph Napoléon Sébastien Sarda Garriga, izay nalefa avy any Paris hisolo an' i Graëb, dia nanambara tao Saint-Denis ny fanafoanana ny fanandevozana ao La Réunion, manomboka amin' ny 20 Desambra 1848 (ny 20 Desambra dia andro tsy fiasana ôfisialy any La Réunion nanomboka teo). I Louis Henri Hubert Delisle no governora kreôly voalohany tamin' ny 8 Aogositra 1852, ary nijanona teo amin' io toerana io hatramin' ny 8 Janoary 1858.

Taorian' ny fanafoanana ny fanandevozana dia mpiasa vahiny maro no tonga mba ho mpiasa an-tsitrapo manao fanekena. Ny fanandevozana dia nosoloina amin' ny asa misy fifanekena, fantatra amin' ny anarana hoe engagés, izay naharitra nanomboka tamin' ny 1848 ka hatramin' ny 1864. Raha ny marina dia nisy ny varotra andevo tsy ara-dalàna, nahazoana andevo avy any Môzambika pôrtogaly sy avy any Zanzibar, izay naondrana an-tsokosoko tany La Réunion nandalo tao amin' ny fivarotana andevo tao Kômôro. Nantsoina tamin' ny fomba ôfisialy hoe engagés izy ireo mba hialana amin' ny fanakanana ataon' ny Britanika izay manohitra ny fanandevozana aty Afrika.

Nampihen-danja an' ilay nosy amin' ny maha fijanonana vonjimaika azy eo amin' ny lalam-barotra mankany India Atsinanana ny fanokafana ny Lakandranon' i Suez tamin' ny taona 1869, ary niteraka fiovana teo amin' ny fifamoivoizana ara-barotra izay nanalavitra an' ilay nosy izany. Nitodika tsikelikely amin' ny betiravy fanaovan-tsiramamy i Eorôpa mba hamaliany ny filany siramamy. Na dia teo aza ny pôlitikam-pampandrosoana nataon' ny manam-pahefana eo an-toerana sy ny fikatsahana marimaritra iraisana, dia niharihary ny krizy ara-toekarena nanomboka tamin' ny taompolo 1870. Tsy nahasakana ny fanovana an' ilay nosy ho môderina anefa izany fitontongan' ny toekarena izany, tamin' ny fampandrosoana ny tambazotran-dalana sy ny fanamboarana lalamby ary ny fanamboarana ny seranan-tsambo ao Pointe des Galets. Nanome safidy azo raisina ho an' ny mpiasa amin' ny fambolena ireo tetikasa fanorenana lehibe ireo.

Nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, dia teo ambany fifehezan' i Frantsan' i Vichy ny nosy La Réunion hatramin' ny 30 Nôvambra 1942, daty nidin' ny tafik' i France libre avy tao amin' ny sambo mpiady Léopard sy nanafahany ny zanatany.

Tantara ankehitriny (1946–)

[hanova | hanova ny fango]

Lasa département d'outre-mer (departemanta ampitan-dranomasina) any Frantsa i La Réunion tamin' ny 19 Marsa 1946. Nomen' ny Institut national de la statistique et des études économiques (INSEE) an' i La Réunion ny kaodin-departemanta 974 sy ny kaodim-paritra 04 rehefa niforona ny filan-kevitry ny faritra tamin' ny taona 1982 tany Frantsa, anisan' izany ny departemanta any ivelany izay lasa région d'outre-mer (faritra ampitan-dranomasina) koa.

Tao anatin' ny roapolo taona teo ho eo tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-20 (1963–1982) dia ankizy 1 630 avy ao La Réunion no nafindra tany amin' ny faritra ambanivohitr' i Frantsa, indrindra tany Creuse, mba hahafahany mahazo fanabeazana sy asa. Nitarika izany fandaharana izany ny mpanao pôlitika gaullista Michel Debré, izay solombavam-bahoaka tao La Réunion tamin' izany fotoana izany. Maro tamin' ireo ankizy ireo no nampijalina na nailiky ny fianakaviana nipetrahany. Fantatra amin' ny anarana hoe "Ankizin' i Creuse" (frantsay: Enfants de la Creuse) izy ireo ka dia niseho ny zavatra nanjo azy ireo tamin' ny taona 2002 rehefa nametraka fitoriana tamin' ny fanjakana frantsay noho ny fakana an-keriny sy fandroahana zaza tsy ampy taona ny iray amin' izy ireo, i Jean-Jacques Martial. Nisy fitoriana hafa mitovy amin' izany koa napetraka nandritra ny taona vitsivitsy nanaraka, saingy nolavin' ny fitsarana frantsay avokoa izy rehetra, sy ny Fitsarana Eorôpeana momba ny Zon' Olombelona (anglisy: European Court of Human Rights; frantsay: Cour européenne des droits de l'homme) tamin' ny taona 2011.

Tamin' ny taona 2005 sy 2006 dia voan' ny areti-mifindra mandringa tsikongonià, aretina afindran' ny moka, ny mponina tao La Réunion. Araka ny filazan' ny BBC News dia olona 255 000 ao La Réunion no voan' io aretina io hatramin' ny 26 Avrily 2006. Nidiran' ilay areti-mifindra tamin' io taona io ihany koa ny nosy manodidina, i Maorisy sy i Madagasikara. Tranga vitsivitsy ihany koa no niseho tany Frantsa, nentin' ny olona nandeha fiaramanidina. Nandefa fanampiana vonjy maika mitentina 36 tapitrisa Euro ny governemanta frantsaibn' i Dominique de Villepin ary nandefa miaramila 500 teo ho eo mba hamongorana ny moka tao amin' ilay nosy.

Ny isan' ny mponina ao La Réunion dia 808 250 [1]:

Tanàna Mponina2011 Augmentation par rapport à 2010
Saint-Denis 144 238 increase +1,1 %
Saint-Paul 103 008 increase +1,8 %
Saint-Pierre 76 247 increase +1,2 %
Le Tampon 72 026 increase +2,0 %
Saint-André 52 956 increase +2,3 %
Saint-Louis 50 717 increase +1,7 %
Le Port 38 279 increase +0,2 %
Saint-Joseph 35 062 increase +1,6 %
Saint-Benoît 33 802 increase +0,8 %
Sainte-Marie 30 815 increase +1,7 %
Saint-Leu 29 925 increase +1,9 %
La Possession 28 798 increase +3,1 %
Sainte-Suzanne 22 411 increase +2,4 %
Étang-Salé 13 367 increase +1,4 %
Petite-Île 11 692 increase +1,6 %
Bras-Panon 11 404 increase +1,8 %
Les Avirons 10 336 increase +4,1 %
Salazie 7 294 decrease -0,1 %
Trois-Bassins 6 994 increase +0,6 %
Sainte-Rose 6 809 increase +0,4 %
Entre-Deux 6 022 increase +1,7 %
Cilaos 5 994 decrease -0,2 %
Saint-Philippe 5 114 increase +0,6 %
La Plaine-des-Palmistes 4 940 increase +4,1 %
Total 808 250

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Rohy Ivelany

[hanova | hanova ny fango]
  1. "kopian'ny arisiva". Archived from the original on 2011-11-17. Retrieved 2012-04-29.