Lilith
I Lilith, izay atao hoe koa Lilit, Lilitu, na Lilis, dia zavamananaina ao amin' ny fedrà mesôpôtamiana sy jiosy, izay noheverina ho vadin' i Adama voalohany ary heverina ho demony vavy voalohany. Natao hoe "voaroaka" tao amin' ny saha Edena i Lilith noho ny tsy fanarahana sy tsy fankatoavany an' i Adama. Amin' ny teny hebreo izy dia atao hoe לִילִית / Līlīṯ.
Heverina fa voaresaka ao amin' ny Baboly hebreo ao amin' ny Bokin' i Isaia (Isa 34:14) izy[1][2], ary tamin' ny tapany farany amin' ny Andro Taloha tany amin' ny loharanon-kevitra jiosy sy mandeana nanomboka tamin' ny taona 500 tal. J.K. i Lilith dia miseho ao amin' ny raikipohy majika ahitana fitantarana fedrà amin' ny hevitra sy toerana samihafa izay manome famaritana ampahany momba azy. Voatonona ao amin' ny Talmodan' i Babilôna izy (Eruvin 100b, Niddah 24b, Shabbat 151b, Bava Batra 73a), ao amin' ny Adin' i Adama sy Eva amin' i Satana ho vadin' i Adama voalohany, ary ao amin' ny Zohar § Levitikosy 19a hoe "vehivavy mafana mirehitra afo, izay niara-nonina voalohany tamin' ny olona". Maro ny manam-pahefana raby, anisan' izany i Maimônida sy i Menachem Meiri, no mandà ny fisian' i Lilith.
Ny anarana hoe Lilith dia avy amin' ny hoe lilû, lilîtu, ary (w)ardat lilî). Ny teny akadiana hoe lilû dia mifandray amin' ilay teny hebreo hoe lilit hita ao amin' ny Isaia 34:14, izay heverin' ny manam-pahaizana ankehitriny sasany, toa an' i Judit M. Blair, ho vorona mpandeha alina. Ao amin' ny fivavahana mesôpôtamiana, hita ao amin' ny lahatsoratra amin' ny soratra miendri-pantsika tany Somera sy Asiria ary Babilônia, ny lilîtu dia fanahy na demony. Maro koa no nampifandray azy amin' ny demony mesôpôtamiana Lamashtu, izay manana toetra mitovy sy toerana mitovy amin' ny an' i Lilith ao amin' ny fedrà.
Fiforonan-teny
[hanova | hanova ny fango]Amin' ny fiteny akadiana tany Asiria sy Babilônia, ny teny hoe lili sy līlītu dia midika hoe "fanahy". Ny fampiasana sasany ny teny hoe līlītu dia resahina ao amin' ny Assyrian Dictionary of the Oriental Institute of the University of Chicago (CAD, 1956, L.190), ao amin' ny Akkadisches Handwörterbuch nataon' i Wolfram von Soden (AHw, p. 553), ary ny Reallexikon der Assyriologie (RLA, p. 47).
Tsy misy ifandraisany amin' ny lilu akadiana (midika hoe "hariva") ny demonia vavy somerana lili.
Nihevitra i Archibald Sayce (1882) fa avy amin' ny prôtô-semitika ny teny hebreo sy ny anarana akadianina taloha. I Charles Fossey (1902) dia mandika ara-bakiteny hoe "zavamananaina vavin' ny alina" na "demony vavin' ny alina", na dia misy soratra miendri-pantsika avy any Mesôpôtamia aza izay ilazana an' i Līlīt sy i Līlītu ho fanahin' ny rivotra mitondra aretina.
Loharano sy fanamarihana
[hanova | hanova ny fango]- ↑ "Ny bibi-dia any an-efitra hihaona amin' ny kary; ary ny osilahy hiantso ny namany; Ary ilay mandehandeha amin' ny alina hitoetra any ka hahita fitoerana ho azy." (Izaia 34:14 Ny Baiboly Masina)
- ↑ "Ny kary aman-amboadia, ho tafahoana ao; ary ny satira hifampiantsoantso ao. Ny lolovokatra mpiseho alina hiorim-ponenana ao koa, sy hahazo fitoerana fitsaharany." (Isaia 34:14, Ny Baiboly)