[go: up one dir, main page]
More Web Proxy on the site http://driver.im/Aller au contenu

Evanjely armenianan' ny Fahazazana

Avy amin'i Wikipedia

Ny Evanjely armenianan' ny Fahazazana dia evanjely apôkrifa voasoratra taty aoriana lavitra, izay voasoratra tsy talohan' ny taonjato faha-6, izay mitantara ny fahaterahana sy ny fahazazan' i Jesoa. Ahitana lovantsofina itambarany amin' ny Prôtevanjelin' i Jakôba sy ny Evanjelin' i Pseodô-Matio ary ny Evanjelin' ny Fahazazana araka an' i Tômasy ity evanjely ity.

Naka ny andalan-tsoratra tao amin' ny Testamentan' i Adama io boky io ka mamelatra ao amin' ny toko faha-11 ny ampahan-tantara momba ny fiavian' ireo mpanjaka magy izay voatantara amin' ny fomba be andinindininy sy nanonona voalohany ny anaran' ireo magy ireo, dia i Melkona (na Melkiôra) mpanjakan' ny Persiana, sy i Gaspara (na Gasparda) mpanjakan' ny Hindoa, ary i Baltazara mpanjakan' ny Arabo.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Ireto ny evanjelin' ny fahazazana: