[go: up one dir, main page]
More Web Proxy on the site http://driver.im/Aller au contenu

Evanjelin' i Nikôdemôsy

Avy amin'i Wikipedia

Ny Evanjelin' i Nikôdemo, na Filazantsaran' i Nikôdemôsy, na Asan' i Pilato dia anaran' ny evanjely apôkrifa nosoratana amin' ny teny grika tamin' ny taonjato faha-4. Ao amin' ny endriny voalohany dia mitantara ny fitsarana sy ny fahafatesan' i Jesoa izy, avy eo ny fitsanganany tamin' ny maty (amin' ny alalalan' ny fitantaran' i Jôsefa avy any Arimatea sy ny Galileana telolahy). Ampahatsiahiviny ny evanjely kanônika sady manamafy ny fahatanterahan' ny faminanian' ny Testamenta Taloha izy.

Ao amin' ny fandikana an' io evanjely io amin' ny teny latina dia notovanana ny fitantarana ny fidinan' i Jesoa tany amin' ny fiainan-tsi-hita. Nisy akony teo amin' ny kolontsaina tandrefana ny Evanjelin' i Nikôdemôsy; matetika dia anaovana fampahatsiahivana ny andalana ao aminy tamin' ny Andro Antenatenany, na tao amin' ny raki-pahalalana tamin' izany fotoana izany na tao amin' ny boky fitantarana na tao amin' ireo boky fampianarana mitoriteny. Anisan' ny nipoiran' ny fitantarana ny Graal izy.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]

Raha te hamaky ny Evanjelin' i Nikôdemôsy amin' ny teny malagasy